Loharano telo no nipoiran’ny “Fiainam-panahin’ny Maseran’ny Cénacle”, dia ny
Ny aim-panahy nolovana tamin’ireo Mpanorina izay mifantoka indrindra amin’ny Spiritualité-n’i Mb Thérèse Couderc dia ny hoe “Manolo-tena tanteraka ho tantanan’ny Fanahy Masina” “Se livrer sans réserve à la conduite de l’Esprit Saint”. Lalana ahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra sy azahoana ny fiadanam-po sy hasmbarana izany, araka ny andra-piainana niveloman’I Mb Thérèse Couderc azy. Hamafisin’ny fiainam-panahin’i Mompera Terme izany amin’ny hoe “Matoky sy miankina tanteraka amin’Andriamanitra”, na hoe “Croire en la Divine Providence”
Ny “Misterin’ny Cénacle” : dia ilay toe-panahin’i Masina Marie tao amin’ny Cénacle: naharitra nivavaka, niantso, sy niandry am-paharetana ny Fanahy Masina”, ary nirehim-pitiavana sy maimay fo hitory ny Vaovao mahafaly rehefa nandray ny Fanahy Masina.
Ny « Spiritualité ignatienne » anisan’ny mamolavola ny fiainam-panahin’ny masera tsirairay amin’ny alalan’ny Fampiasam-panahiny araka an’i Md Igance de Loyola.
Ny Fanomezam-pahasoavana manokana (Charisme) dia Voafintina amin’ny Fehezan-teny tokana hoe :
“Mampahafantatra sy hampitia an’i Jesoa Kristy amin’ ny olona rehetra, eran’izao tontolo izao”, amin’ny alalan’ny « Fanairana sy fandalinana ny finoan’ny olona » « Eveil et approfondissement de la Foi.