Tsy tokony hatahorana ny fahafatesana fa lalana tsy maintsy hizorana hankany amin’ny fiainana mandrakizay
Tsy famadihana no atao satria « miofo ny Aina fa tsy levona » ka tsy mijanona ao am-pasana ireo havana nodimandry fa efa nitsangan-ko velona. Koa noho ny zava-misy natrehina dia nanorina fasana manokana hametrahana ireo taolam-balon-dry masera efa nody mandry ny fikambanana fa ny fanahiny kosa dia efa any an-danitra.
Nomena lanja manokana ny fomba hiatrehana ny fahafatesana.
Sorona Masina nankalazana an’i Kristy tafatsangan-ko velona no natao manetriketrika. Efa any an-danitra izy ireo no mivavaka lalandava ho antsika, isika kosa mivavaka lalandava ho azy, izay fiombonam-bavaka izay no notanterahina.
I Jesoa avy any an-danitra nitsangan-ko velona no loharanon-kafaliana anatontosana ny famindrana ny taolambalo ka nampiravoravo ny Fikambanana.