Nohamafisina ombieny ombieny ny fiaraha-miasa amin’ny olona rehetra mba hahafahana mampahafantatra sy mampitia an’I Jesoa Kristy amin’ny olona rehetra, amin’izao vaninandro ankehitriny izao, araky ny aingam-panahy manentana ny Fikambanana dia ny hoe: “mampahafantatra sy mampitia an’I Jesoa Kristy amin’ny olona rehetra aimin’ny andro ankehitriny.”
Misy izany ny fraternite: sampana lahika manambady amanjanaka ka mandray anjara amin’ny asa pastoraly sahanin’ny fikambanan’ny cenacle. Misy ihany koa ny sampana lahika manokan-tena, izany hoe lahika tsy manambady miaina ny Aingam-panahy manentana ny fikambanana ary manao ny voady 3 toa andry masera fa kosa miaina eny anivon’izao tontolo izao. Misy kosa ny namana mpiara-miasa antsoina hoe “ Amis”, vondron’olona miaina an-tsitra-po ny aingam-panahy manentana ny Fikambanana ka tsy mamela ho irery fa manoro aran-kevitra amin’ny endriny maro samihafa.
Ny Amis du Cénacle Dia lahika tsotra, manambady na tokan-tena, manolo-tena ankalalahana tanteraka fa hiaina ny aingam-panahy manentana ny fikambanan’ny Cénacle , tsy voafaritry ny famehezan-tena na ny voady fa kosa namana mpiara-miasa.