« Tsy ianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo, mba hansehananaaaaaaaaareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo »
Lahika voatokana eo anivon’izao tontolo izao sy ho an’izao tontolo izao. Olona naheno fiantsoana ka mamehy tena ho famaliana ny antson’Andriamanitra mba hiaina ny takian’ny Evanjely sy hijoro ho vavolombelon’I Kristy araka ny aingam-panahin’ny fikambanana Notre Dame du Cénacle, dia ny « mampahafantatra sy mampitia an’i Jesoa Kristy amin’ny olona rehetra »
Lahika tsy misy fiaraha-miaina iombonana fa samy mahaleo tena tanteraka satria samy manana ny asa fivelomany manokana andavanandro ; fa kosa atambatry ny Aingam-panahin’ny Cénacle, ary manao ny Voady telo dia ny fahadiovana, fahantrana ary fanekena. Miaina eny anivon’izao tontolo izao izy ireo, tsy manana fanamiana mampiavaka azy manokana. Samy manana ny asa fivelomany manokana.
Manaraka ny toro-hevitry ny Fiangonana ny fomba fiainany. Hoy indrindra manko ny nambaran’ny Konsily Vatikana II «Ao amin’izao tontolo izao izy ireo no miaina, ao amin’ny asa aman-draharaha rehetra sy isanisany mikasika an’izao fiainana izao, eo amin’ny zava-misy andavanandro iainan’ny mpianakavy sy ny mpiara-monina. Eo no iantsoan’Andriamanitra azi ireo hanatanterahany ny adidiny manokana. Ny saina avy amin’ny Vaovao Mahafaly no mitarika azy ireo. Toa fiasan-dalivay no anamasinany an’izao tontolo izao satria ny anjara farimbony dia mova tsy misoko avy anaty. Izany, fa indrindra nyfiainany tomaratry ny finoana sy fanantenana ary fitiavana, no vavolombelona anehoany an’i Kristy ho hitan’ny sasany ». laharana 31
Tsy relijiozy izy ireo fa kosa lahika miaina eny anivon’izao tontolo izao ary manaraka ny aingam-panahy manentana ny fikambanan’ny Fikambanana Notre Dame du Cenacle. Manao ny voady telo izy dia ny Fahadiovana , ny Fahantrana ary ny Fanenkena ka anisany mampiombona azy ireo ny fiainana ny voady nataony io na dia eny anivon’izao tontolo izao.
© 2023