Mompera Etienne Terme
Masera Thérèse Couderc
Fikambanana naorin’i Mompera Etienne Terme sy i Mere Terezy Couderc, tamin’ny taona 1826 tao Frantsa.
Rehefa tonga Pretra i Etienne Terme ny taona 1815, dia nilofo tamin’ny Fanabeazana ny zanaky ny olona eny ambanivohitra, ka nanorina ny Fikambanan-drelijiozy vavy antsoina hoe “Soeurs de Saint Régis” hikarakara Sekoly tao amin’ny faritra niasany tao Alba.
Ny taona 1824 anefa dia voairaka hiasa tao Lalouvesc izy, anisan’ireo Pretra navondron’ny Evekany ho Misioneran’i Md Jean François Régis.
Ao Lalouvesc io mantsy no misy ny fasan’i Md Jean François Régis, pretra Zezoita olo-masina malaza. Noho ny hamaroan’ny olona tonga nanao fivahinianana Masina tamin’izany, dia nifanjevo sy nikorontana ny olona, ary tsy afaka tena nivavaka satria tsy ampy ny trano fandraisam-bahiny tao an-toerana.
Nitsiry teo ary ny hetahetan’i Mompera Terme ny amin’ny hanorina trano fandraisam-bahiny, itsinjovany indrindra ny vehivavy sy ireo mitaiza kely tonga hivavaka. Dia niantso masera tamin’ilay Fikambana vao naoriny “Soeurs de St Régis” izy hikarakara sy handray ireo vehivavy tonga nanao fivanihana masina..
Dia anisan’ireo masera nanokatra io Communauté tao Lalouvesc io i soeur Thérèse Couderc.
Ny fampiasam-panahin’i Md Ignace de Loyola no fitaovana nentiny nanampy ny olona tonga nivavaka.
Rehefa samy niatrika ny asa fanampiana ny olona hivavaka sy hibebaka, tamin’ny alalan’ny Laretirety sy ny Fivanihanana Masina tao Lalouvesc i Masera Thérèse sy P. Terme dia samy nahatsapa sy resy lahatra fa antso vaovao tsy ho afa-miaraka amin’ny Fikarakarana Sekoly ity asam-pamonjena ity. Noho izany dia nizara roa ireo Relijiozy “Soeurs de Saint Régis”: izay te-hijanona tamin’ny fampianarana dia nijanona ho “Soeurs de Saint Régis”; ireo voasarika ho an’ny Famonjena ny fanahin’ny olona amin’ny fanampiana azy ireny hitodika be be kokoa amin’Andriamanitra amin’ny Fanomezana Laretirety sy ny fampianaram-pinoana kosa dia nampitondraina ny anarana vaovao hoe : “ Soeurs de Notre Dame de la Retraite au Cénacle”.
Raha vao niorina taona vitsy monja anefa ity Fikambanana ity dia nodimandry teo amin’ny faha- 43 taonany I P. Terme ny 12 décembre 1834.
Ny 26 septembre 1885 ihany koa no andro nahafatesan’i Mere Terezy Couderc. Ny 04 novemmbre 1951 dia natsangan’ i Papa Pie XII ho olon-tsambatra izy ; ary ny 10 mai 1970 dia natsangan’I Papa Paoly faha- VI ho olo-masina. Ary ny vatany dia tsy rava fa mbola hajaina sy angataham-bavaka amam-pahasoavana ao Lalouvesc toerana nahaterahan’ny Fikambanana mandraka ankehitriny.
Ny lalam-piainana nosafindintsika dia mitondra antsika amin’ny Fahamasinam-piainana rehefa iainantsika araka ny sitrapon’Andriamanitra, koa mahaiza ary mihaino ny Fanahy Masina izay manoro lalana antsika isan’andro eo amin’ny Fahafantarana izany Sitrapon’Andriamanitra izany.
Noho ny asan’ny Fanahy Masina tao amin’ny Fiangonana sy ny faniriana nivaivay tao am-pon’ny mpanorina ny fikambanana Notre Dame du Cénacle hatrany ampiandohana dia ny « hitarika ny olona ho any amin’Andriamanitra», no tarigetram-panorenana hatrany amboalohany ka nitatra tonga taty Madagasikara
Ny 18 octobre 1948, tonga soa aman-tsara tao amin’ny seranatsabon’ny Toamasina izy 4 mirahavavy dia i : Masera Helene Chardon, masera Odette Laporte-Many, masera Martine Martin ary i masera Assella Thomas, ireo no mpamaky lay. Ary noraisina tamin’ny fomba ofisialy tao Amparibe Antananarivo ny 20 octobre 1948, io no nahatongavan’ny maseran’ny Cénacle teto Madagasikara.
Noho ny fangatahan’ny Eveka, dia efa tafajoro eo anivon’ny diosezy 7 eto madagasikara ny fikambanan’ny Cénacle, ary manana ankohonam-piainana 13. Diosezin’Antananarivo, hita ao Amparibe sy Ambohipo ary Soavimbahoaka. Diosezin’Antsirabe dia ao Mahazoarivo sy Betafo. Diosezin’ny Fianarantsoa ao Talatamaty. Diosezin’ny Toamasina dia ao Tanamakoa. Diosezin’ny Farafangana dia ao Impitiny. Diosezin’ny Faradofay dia ao Ampasimazava. Diosezin’ny Morondava dia ao Antandrokosy.
© 2023